SocialTsidika

Fitrandrahana vato tsy ara-dalàna tao Ambatovaky

Lehilahy iray no tratra nitrandraka vato antsokosoko tao Ambatovaky, avy hatrany dia natolotra ny manam-pahefana miandraikitra izany izy ary efa naiditra am-ponja ankehitriny.

« Rehefa tratra ity lehilahy mpitrandraka avto ity dia nihaiky ny helony tamin’ny rasty nataony ka izao izy naiditra am-ponja izao, tsy vao izao anefa no nisy tranga toy izao fa izany hoe somary elaela izay tsy nisy ny toy izao, raha tsy vao ity indray » hoy ny zandarimaria ao an-toerana.

« Tsy mety ny mitrandraka na manondrana harem-pirenena antsokosoko, mamono ny firenen-tsika mivantana ihany isika amin’izany, raha fitadiavan-karena dia mba samy te hahazo fa na izany aza rehefa tsy azo atao dia tsy tokony hivoana amin’ny lalàna isika » hoy i Matthieu, mpahay lalàna.

Ry zareo mpiaro ny tontolo iainana kosa dia nilaza fa « antoka maha-voajanahary ny firenena iray ny fisian’ny harena an-kibon’ny tany ary tsy tokony hatao tsinotsinona izany, mila alalàna ny fitrandrahana ary tsy azo ataotao foana ».

Voararan’ ny lalàna ny fitrandrahana anaty faritra arovana noho izany dia iharan’ ny sazy raha ny lalàna izay tratra manao izany.

Ny fanontaniana manitikitika dia hoe fa ireny mpitrandraka antsokosoko ireny ve mahaleo tena sa mety misy olona ao ambadikany, izany hoe mety mbola olona voakaràma ve izy ireny ?

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire