Etats-Unis : Efa nanambady in-telo i Jennifer Lopez
Mpihira sy mpilalao horonantsary malaza teraka tao New-York i Jennifer Lopez, teraka tamin’ny 24 jolay 1969 ny tenany. Efa nanana fofombady (fiancé) dimy izy ary telo tamin’ireo no efa novadiany.I Ojani Noa no vadiny tamin’ny taona 1997 hatramin’ny taona 1998, nahatratra 100 000 dollars ny peratra nangatahany an’i Jennifer Lopez tamin’izany. i Cris Judd kosa ny vadiny faharoa, ny taona 2001 hatramin’ny 2002. Nanomboka io taona 2002 io ihany izy dia fofombadin’i tamin’i Ben Affleck, saingy tsy mbola nivady izy roa ary nisaraka tamin’ny taona 2004. Tamin’io taona 2004 io ihany kosa izy no nanambady fahatelo an’i Marc Anthony hatramin’ny taona 2014.Mbola tsara tarehy sy bika i Jennifer Lopez raha amin’ny taonany. Niverina niaraka tamin’ny Ben Affleck kosa izy vao volana vitsivitsy izao.
