Vita soa aman-tsara ny zaridaina eo Ampefiloha
Ankoatra ireo zaridaina efa vita toy ny Anosy, dia vita soa aman-tsara ihany koa ny zaridaina eny Ampefiloha izay natao handravaka ny tanàna sy ahafahan’ny mponin’Antananarivo misitraka toerana tsara ary ahafahan’ny fianakaviana mitsangatsangana.
Ny FIARO sy ny CNAPS no niara-nientana mba hahazoana izao vokatra izao. « Hisokatra ho an’ny daholobe tsy ho ela ity zaridaina etsy Ampefiloha ity », hoy ny tompon’andraikitra. « Toeram-pipetrahana tahaka izao no tena ilain’ny olona indrindra rehefa reradreraka sy mifanao fotoana aman’olona iny ka miandry kely » hoy i Haja, mpandalo sendra anay teny an-toerana. « Fananana iombonana ity zaridaina ity koa aoka mba samy ho saro-piaro amin’ny fahadiovana sy hanaja izany ny rehetra » hoy i Ando, mpandalina manokana ny mikasika ny tontolo iainana. Tsara sy mety tsara amin’ny daholobe ny fotodrafitrasa ao anaty natiora tahaka ity zaridaina ity no sady manome endrika ny tanàna.
Isika vahoaka izay hampiasa azy kosa anefa no erany satria raha aintsika ny mikolokolo azy dia tsy ho rava vetivety izany mpanome endrika ny tanànantsika izany. Tsara manaja sy mikolo ireny fananana iombonana ireny isika.
Nicole Rafalimananjara
