ActualitésTsidika

Ankadinandriana : Nandeha ifotony nijery ny olan’ny rano ny solombavambahoaka

Tsy ny any Atsimo any ihany no tena mijaly rano, fa isan’ny tena mampitaraina ny mponina eto Avaradrano mihitsy ny tsy fahampian’ny rano, indrindra ny ao Ambohimanaga Rova sy Ankadinandriana.

Nihaona nivantana tamin’ny mponina teny Ankadinandriana, niaraka tamin’ireo injeniera manam-pahaizana mikasika ny rano, ny solombavambahoaka Randriambolaina Gerry. « Tsy sanatria hodian-tsy heno ny fitarainanareo vahoaka amin’ny tsy fisian’ny rano fisotro madio, fa izany mihitsy no maha solombavambahoaka anay manakaiky ny vahoaka ary miasa ho an’ny vahoaka ka efa eto izahay hanolotra vahaolana miaraka amin’ireto efa manam-pahaizana ireto » hoy ity Solombavambahoaka ity. « Nandritra ity fitsidihana nataon’ny député ity ihany koa no nitondrany fanampiana ho an’ny zaza sy ny be antitra eto an-toerana ka isaorana indrindra azy izany » hoy ny sefo fokontany iray any an-toerana. « Tena mijaly izahay amin’ny rano, ary enga anie ka tsy fandalovana fotsiny ihany izao fa tena fandalovana hitondrana vahaolana maharitra sy haingana ho anay mihitsy » hoy i Richard, mponina any an-toerana. Efa betsaka tokoa ny fitarainana mikasika ny rano any an-toerana, saingy irariana mba ho voavaha haingana izany satria ny rano dia filàna andavan’andro fa tsy sanatria isan-taona akory ka tena mila vaaholana haingana mihitsy. Ho voavaha haingana ve ity olan’ny rano ity ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire