SocialTsidika

Masindray : Mbola tsy foana ny halatr’omby

Tsy nahafay ireo mpangalatra ny fahatratarana ny namany mpangalatr’omby vao tsy ela akory izay. Mbola mitohy foana ny asa ratsy. Nisy omby telo tsy hita indray tao amin’ity Kaominina ity ny 17 hifoha 18 novambra lasa teo.

Mitebiteby ny mponina ary mahatsiaro tena ho tsy misy mpiaro ankehitriny satria izay kely eo am-pelatanany indray no alain’ny hafa. « Mila mailo isika mponina amin’ny fiarovana ny fananantsika satria tena mampalahelo mihitsy ny zava-misy ankehitriny » hoy i Rivo, mponina any an-toerana. « Efa mandady amin’ny trano ny trambo amin’izao. Omby telo no indray very tato Ambatofolaka ary nikasa ho eny Andratoandro indray ireo olon-dratsy saingy tsy nahazo » hoy ny solontenam-panjakana any an-toerana. « Efa mila ho isan’andro ny tranga tsy fandriam-pahalemana aty Avaradrano, indrindra ny halatr’omby sy kisoa. Mila hanaovana fanadihadihana mihitsy ireo mpamatsy hena ety amin’ny manodidina satria tsy maintsy hena foana no iafaran’io » hoy i Kiady, mponina ao Masindray.

Mila faizina mafy tokoa ireo jiolahy tratra mba ho anatra ho an’ny rehetra fa tsy sanatria ho afa-maina amin’izao. Ny dikan’ny sazy mantsy dia sazy famaizana ho an’ilay tratra no ho an’ny hafa izay mbola miafina any ho any. Na izany aza anefa mila hatsangana ny vondrona mpampandry fahalemana eto Avaradrano satria mahatsiaro tena ho tsy voaaro ny vahoaka na dia efa misy aza ny Zandary eto an-toerana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire