Sabotsy Namehana: Notokanana ny ny biraom-pokontany vaovao ao Andidina
Nisy ny fitokanana ny biraom-pokontany vaovao Andidina ao anatin’ny Kaominina Sabotsy Namehana. Isan’ny lalana iray hirosoana amin’ny fanatsarana ny fitsinjaram-pahefana ny toy izao.
“Nahazo fotodrafitr’asa tsara isika eto Andidiana toy ny lalana, tetezana, fefiloha indrindra ity biraom-pokontany vaovao ity. Mila mahay mikajy sy manaja izany isika vahoaka ho setrin’izao asa fampandrosoana izao » hoy i Théophile, mponina ao Andidina. « Miezaka hatrany isika amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Tsy adidiko izaho irery fa isika miaraka no afaka hanatanteraka ireo asa fampandrosoana ireo » hoy ny Ben’ny tanàna ao Sabotsy Namehana, Andriamosa Avotraina.
Isan’ireo Kaominina tsy latsa-danja amin’ny asa fampandrosoana tokoa ny Kaominina Sabotsy Namehana. Ny fiaraha-mientan’ny mpitondra sy ny vahoaka tokoa no tena ilaina amin’izany.
Nicole Rafalimananjara
