ActualitésTsidika

Hetsika fananganana orinasa

Anisan’ny mampivoatra ireo tanan-dehibe efa mandroso ny fisian’ny fananganana orinasa betsaka any an-toerana. Raisina ohatra amin’izany ny ao Etats-Unis, miisa 1,6 tapitrisa ny orinasa voatsangana tamin’ny taona 2020 izany hoe tao anatin’ny herintaona. Raha ny eto Madagasikara kosa izany dia 1 348 no isan’ireo orinasa mitsangana ho an’ny taona 2018, raha ny antonan’isa navoakan’ny EDBM. Orinasa SARL na Société à Responsabilité Limitée no betsaka eto Madagasikara (51%) ka io no nalaina ohatra eto. Misy elanelany betsaka ny isa noharina teto, ary manamarika izany fa anisany mampivoatra ny firenena iray ny fahabetsahan’ny orinasa. Mampivoatra satria eo ny fidiram-bola ho an’ny orinasa, ny vola miditra ho an’ny tompony ary ny ola miditra amin’ny fanjakana amin’ny alalan’ny hetra aloha isan-taona.

Anisan’ny mampirisika ny tanora hisehatra amin’ny fananganana orinasa ny fisian’ny hetsika toy ny “Tetik’asako”. Tetik’asa entina ampirisihana ny olona hanana vina hanarina ny fampandrosoana ara-toe-karena eto Madagasikara. Mampiavaka ary hiompanan’ny tetik’asa ny fifaninanana ataon’ireo mpandray anjara, ka izay orinasa sady mampidi-bola no mitondra any amin’ny fampandrosoana no hahazo fampiofanana manokana. Hanampy ireo mpanangana orinasa hikatsaka izay ampaharitra sy hampandeha ny orinasany ny hetsika, ary indrindra ny fampandehanana azy amin’ny fotoana maharitra. Dingana tratrarina tokoa ireo telo voalaza ireo. Mbola eo am-pananterahana ity hetsika ity indrindra ny mpandray anjara amin’izao fotoana ary hanomboka amin’io herindro io, ny 25 may  ka hatramin’ny 28 may no hanatanterahana izany. Mampirisika ireo mpandray anjara ny mpitarika mba hifaninana amin’ny fananganana orinasa maharitra eto Madagasikara satria fototra ho amin’ny fampandrosoana izany.

Toky Randriamanalison

Laisser un commentaire