France : Mihamahazo antoka ny fanaovam-baksiny ny mponina
Efa fotoana ahafahana mamoaka fehin-kevitra amin’ny fitantanana ny vaksiny ve izao ? Mbola tsy azo valiana io fanontaniana io fa mbola maro ireo zavatra mety hiseho sy tsy ampoizina : ny fisehoan’ny tranga karazany vaovao, ny tanjaky ny fiarovan’ny vaksiny, ny famelana ireo frantsay reraka niaina niaraka tamin’ny viriosy. Rehefa miditra amin’ny vanim-potoana mafana, mihamanjavona sy mihasimba ireo tsimok’aretina, saingy tsy mbola tapitra anefa. Na izany aza, nanandrana niverina tamin’ny fiainana teo aloha i France amin’ny fisokafana nanomboka ny 19 may lasa teo, ny fisokafan’ireo “terrasses” (fisakafoanana eny ivelany), tranom-barotra maro, sy ny fihemoran’ny fetr’ora fivoahana ho amin’ny 9ora alina rehefa avy nanapitra ireo fepetra henjana napetraka. Azo tsapain-tanana amin’ny fikarohana lalina nandritra ny volana maro ataon’ny Centre de recherches politiques de Sciences Po, izay miara-miasa amin’ny Institut OpinionWay ity fitsirian’ny fanantenana vaovao sy fijery miabo ao France ity. Ny volana febroary lasa teo, heritaona taorian’ny fidiran’ny valan’aretina, efa namoaka ny vokatry ny “Baromètre de la confiance politique” ny gazety Le Monde. Eo ampototry ny “vague” fahatelo, miparitaka manerana ny lafim-piaraha-monina sy ny firenena rehetra ny havizanana, alahelo, fitaintainana.
