ActualitésTsidika

Fampianarana ambony: Mpianatra maherin’ny 30 tsy manana-kilofana

Mpianatra mpanofa trano eny Antsahameva miisa 32 no tsy manan-kialofana amin’izao fotoana izao. Niharan’ny fahamaizana ny tranon’izy ireo ny sabotsy 10 jona teo ho eo amin’ny tamin’ny 8ora alina teo. Simba sy may tsy nisy azo noraisina tamin’izany avokoa ny fitaovana sy entana rehetra tao an-trano. Mpanofa avokoa ireo mpianatra ireo izay mitsinjara amin’ny efitrano miisa 12. Araka izany dia mangataka ny fanampiana sy izay tolo-tanana azon’izy ireo raisina izy ireo amin’izany.

“Circuit tao amin’ny efitra ambany no nahatonga ny fahamaizana. Alavitra ny rano kanefa ny mpamonjy voina ihany koa efa adiny iray mahery taty aoriana vao tonga ka tsy afaka namonjy betsaka. Betsaka ny cahier, ny boky ny akanjo may tamin’izany. Misy hatramin’ny diplaôma ny an’ny sasany”, hoy I Flavien, traboina.

Amin’izao fotoana izao dia notolorana trano afaka hisitrahana ireo mpianatra ireo ary ny Ministera no miantoka izany. “Ny trano aloha efa voavaha ny olana tamin’iny. Ny akanjo sy ny sakafo izao no olana satria itony an-koditra itony izao dia nindramina. Fanampiana ara-bola raha ny marimarina kokoa no tianay ho azo”, hoy hatrany ireo traboina.

Anisan’ny efa nitondra ny anjara birikiny ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny avy eo anivon’ny BNGRC. Marihina fa hatramin’izao dia mbola olana hatrany ny fisitrahana ny “cite” eny anivon’ny Oniversiten’Antananarivo. Izany indrindra no hiantsoana vahaolana maharitra avy amin’ny mpiara-miombon’antoka.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire