SocialTsidika

Morombe : Nisy ny naka tao am-pasana ny tapany ambonin’ilay razana vao nalevina

Nitranagana vaky fasana indray tany Morombe ny alin’ny 5 oktobra lasa teo, fasana mitondra ny anarana hoe « Lolovao » ity vaky ity kanefa vao nandevenana olona ny 5 oktobra io ihany. Tsy hita ny tapany ambonin’ilay faty vao nalevina ora vitsy tao fa ny tapany ambany kosa no navelany. »Atoandro vao nandevenana ka nony alina dia nisy nandavaka ny fasana ary tsy hita ny tapany ambonin’ilay faty satria notapahany teo amin’ny valahany ilay faty » hoy i Aristide, mponina any an-toerana. « Tena sahy tokoa ireo olon-dratsy satria faty lena mihitsy no nalainy, efa mandeha ny fikarohana ny nahavanon-doza satria efa eto am-pelatananay ny raharaha » hoy ireo mpitandro filaminana ao amin’ny kaominina Morombe. « Notaritin’ireo tsy mataho-tody ny vatam-paty, ataony inona ilay tapany ambony ? Faty lena ilay izy amin’io, very faty ny havanay » hoy ny fianakavian’ny maty.Mirongatra mihitsy ny vaky fasana amin’izao, izay tokony handraisana fepetra hentitra mihitsy mba hanomezan-kasina ireo taolambalo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire