ActualitésTatitra

Etats-Unis : Nilaza ny marina tao ambadiky ny fanambadiany i Will Smith

Nilaza i Will Smith rehefa nohadihadian’ny gazety marolafy GQ fa niaina tao anaty fanambadiana malalaka foana izy sy ny vadiny Jada Pinkett Smith. Niaina tao anaty « polygamie » izy mivady izany hoe nifanome fahalalahana niaraka tamin’ny olon-kafa. Efa nivady 24 taona i Will Smith sy i Jada Pinkett Smith ary manan-janaka roa. « Tsy tokony ho fonja ny fanambadiana » hoy Will Smith, samy niaraka tamin’ny olon-kafa izy mivady raha ny fanazavany nefa nifanome toky tanteraka.Rehefa tsy nahatsapa fahasambarana tao an-tokatranony intsony izy ireo no nanomboka nampiatra io fifanarahana io. « Tsy mino ny fanambadiana i Jada, niaina tao amina fianakaviana tsy nisy an’izany izy ary hafa no fomba nitaizana azy mahakasik’izany » hoy hatrany ity mpilalao horonantsary malaza ity. « Ny fifampitokisana sy ny fahalalana nifanomezanay no tena fitiavana amiko » hoy izy. Tsy manoro an’iza n’iza hanao tahak’izany nefa izy.

Laisser un commentaire