ActualitésTatitra

Etats-Unis : Inona moa ny « minimalisme » ?

Ny « minimalisme » dia hita matetika amin’ny zavakanto ankehitriny. Tany amin’ny taona 1960 no nisehoan’izany voalohany tao Etats-Unis. Nentina nanazavana ny sary « expressionnisme abstrait » sy nanoherana ny firoborobon’ny zava-kanto « figurative » sy « ironique » ny « pop art » izany.

Avy amin’ny « Modernisme », indrindra ny « Bauhaus » ny « Minimalisme ». Nosokajiana tao aminy ny iray tamin’ireo solontena lehibe indrindran’ny Bauhaus dia i Ludwig Mies van der Rohe : « less is more ». Ny fanatsarana ny asa iray dia amin’ny alalanan’ny fanalàna araka ireo « minimaliste ».

Anisan’ireo « minimaliste » goavana indrindra i Robert Morris, Carl Andre ary Donald Judd izay mpanao sary sokitra ; Frank Stella sy Sol Le Witt mpanao hosodoko ; La Monte Young, Terry Riley, Philip Glass ary Steve Reich izay mpanao mozika.

Laisser un commentaire