Ankadikely Ilafy : Nisy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny kaominina sy ny INDDL
Nisy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny kaominina sy ny INDDL (Institut National de la Décentralisation et du Développement Local) ny zoma 19 aogositra teo. Marihina fa efa nisy ny fivoriana teo amin’ny roa tonta teo aloha.
Mahakasika ny tetik’sa lalan-kely sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao ay ny fampitaovana ho an’ny kaominina Ankadikely Ilafy moa no anton’izany Sonia izany. Natao izany tetik’asa izany hentina hanantasarana ny tanàna. Isaorana ireo rehetra nikarakara izany hetsika izany hoy ny mponina eny an-toerana. Hirariana mba ho vita soamantsara ny tetik’asa.
Famenontsoa Rajerison
