ActualitésTsidika

Toamasina : Hiroso amin’ny fanganana trano mora andiany faharoa

Hiroso amin’ny andiany faharoa amin’ny fananganana ireo trano mora izay miisa 80 ny ao amin’ny faritr’i Toamasina.

Raha ny fanadihadiana natao, afaka taona vitsy dia hahatratra 1 000 000 ny mponina ao toamasina. Tsy mitsaha-mitombo manaraka izany ny filàna ilain’ny mponina.  Trano mora 80 isa no hatsangana tsy ho ela ao Amboditononina, trano lehibe na irony « immeubles » mora sy ny « centre commercial » kosa no hatsangana ao Ambohijafy. Mifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny Malagasy hatrany ny fisatrahana izany ary tsy maintsy mandalo amin’ny an-tana-tohatra toa ny teo aloha, dia ny fisoratana anarana sy ny famenoana ny atontan-taratasy misy ny fepetra isan-karazany.

Mbola tafiditra ao anatin’ny tetik’asan’ny filoham-pirenena amin’ny fanatsarana ny renivohitry Toamasina moa izao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire