Vohemar : Renim-pianakaviana iray no niharan’ny fitsaram-bahoaka
Renim-pianakaviana iray tratra nangalatra mangahazo no niharan’ny fitsarm-bahoaka ny talata 23 aogositra 2022 lasa teo tao Antsirabe Nord Vohemar. Marihina fa efa maro tamin’ireo mpangalatra tratra no niaran’ny fitsaram-bahoaka toy izao. Tsy nananan’ireo fokonolona tao amin’ny fokontany Ankapila, kaominina Antsirabe Nord distrikan’ny Vohemar indrafo mihintsy ity Renim-pianatra ity fa nampijaliany sy nalainy baraka.
Nosoran’izy ireo sakay ny vatany iray manontolo ary mbola notereny hanefa lelavola roa hetsy ariary (200 000 Ar) ihany koa ity renim-pianakaviana ity. Mbola maro amin’ny toerana eto Madagasikara tokoa no mampanjaka ny firaisan-kina ary sahy mijoro manoloana ny tsy rariny.
Famenontsoa Rajerison
