Kolontsaina: Ambohim-pihaonan’ny haingo sy ny fitafy I Toamasina mandritra ny telo andro
Miditra amin’ny andro faharoa amin’ny Mihamy Mada Fashion andiany fahaefatra izay hatao any Toamasina anio. Milohahveitra hoe “tsy miala amin’ny vita Malagasy antsena (isika)” ity andiany fahaefatra ity. Maro ireo mpandray anjara amin’ny hetsika izay ahitana sehatra isan-karazany. Tsy miova ny fizotran’ny lanonana rehetra fa toy ny isan-taona ihany.
“Amin’ity indray mitoraka ity dia ny fampiroboroboana ny vokatra eto an-toerana izany hoe eto Toamasina no tena himasoana. Ireo mpandraharaha amin’ny lamaody eto Toamasiona ny ankamaroan’ireo mpandray anjara. Tsy ambanin’izany anefa ireo vokatra vita Malagasy rehetra ka afaka ny haneho ny fahaiza-manaon’ny mpamorona Malagasy rehetra”, hoy ny solontenan’ireo mpikarakara.
“Mahay zavatra ny Malagasy, mahafinaritra avokoa ny mahita ireo vokatra miranty sady mahaliana na ny akora hampiasaina aza. Etsy ankilany anefa dia somary lafo ilay izy na dia mba maniry ny hisitraka aza. Tiako ny zavatra vita Malagasy fa tena tsy mahatakatra foana ny fahefa-mividy. Amiko anefa dia tokony isika Malagasy mihitsy no mifanampy mba hahafahana mampiroborobo ny vokatra. Ilaina izany ary tena hanentanako ny Malagasy rehetra mihitsy”, hoy ireo mpitsidika.
Fotoana iray hanohanana ny haihaingo sy ny famoronana lamaody « Vita Malagasy ». Fotoana hanehoana fa mahay ary tsy mena-mitaha amin’ny hafa isika Malagasy. Maro ireo seho efa nandeha ary mbola ho maro ny tohiny. Mbola tsy tara ianao raha toa ka te hitondra ny anjara birikinao amin’ny fanohanana ireo mpandraharaha Malagasy ireo.
Miora Raharisolo
