Distrika Atsimondrano : Nanomboka ny fanamboarana ny lalana Ambohimanatrika -Tanjombato
Betsaka ny fitarainana azo mahakasika ny faharatsian’ny lalana mampitohy an’i Tanjombato sy Ambohimanatrika ity. Maro mantsy ny olona no mampiasa ny lalàna ka sahirana. Lalana mirefy 1 200 metatra izay amboarina izao. Marihina fa hatao rarivato ny lalàna. Tetikasa izay ho sahanin’ny Faritra Analamanga tanteraka ny famitana azy.
Mba hamaliana ny hetahetam-pon’ny vahoaka dia nisy ny fandraisana andraikitra mivantana avy amin’ny andrim-panjakana isan-tsokajiny. « Ho fanantanterahana ny toromarikin’ny ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny hoe tsy misy Distrika ho adino eto Madagasikara dia natomboka androany ny asa ho fanamboarana ity lalana ity. » hoy i Hery Rasoamaromaka , Governora ny Faritra Analamanga.
Zava-dehibe ho an’ny Distrika ny fanamboarana foto-drafitra toy izao. Endrikin’ny fampandrosoana ny tanàna ary indrindra ho an’ny kaominina. Foto-drafitra ho an’ny vahoaka rehetra ity ka tokony ho hentitra avokoa ny olom-pirenena rehetra mba hikajiana azy. « Isaorana ny fitondram-panjakana namaly ny antso sy ny fitarainana nataon’ny vahoaka. Zava-dehibe ho anay mpampiasa ity lalàna ity izao fanamboarana izao. Enga anie samy hikajy sy hanaja daholo ny vahoaka mba hanana lalana mateza », hoy i Koloina, mponina Ambohimanatrika.
Antokin’ny fivezivezen’ny olona ny lalana ka rariny sy hitsiny raha mitaky ny famitana izany ny vahoaka. Tsy tokony atao ambanin-javatra mihitsy ny fanamboarana izany fa io no anisan’ny ahafahana mamoaka ny vokatra ao amin’ny toerana iray. Tsy voatery ho vokatra ihany anefa fa eo ihany koa ireo entana ilaina andavanandro, izay amidy ao amin’ny kaominina voakasika izany.
Erwan RAN
