Alasora : Camion tapaka hisatra nivadika tao Ambohimanandraisoa
Fiara lehibe iray no nivadika tao Ambohimanandraisoa, Alasora, omaly alakamisy vao maraina. Fahatapahan’ny hisatra teo amin’ity kamiao ity no voalaza nahatonga ny loza, raha ny voalaza.
« Raha ny zava-nisy teto moa anisan’ny nanaitra ny rehetra, ity camion ity no tapaka hisatra avy any Alasora ka izao nivadika ambony ambany izao. Tsy nisy ny aina nafoy » hoy i Eric, mponina ao Ambohimandraisoa.
« Mila mailo sy mitandrina ny rehetra fa ny loza tokoa tsy mampilaza. Fa hanentanana kosa ny mpamily hanatanteraka ny fitsirihana teknika ary hanamarina ny fiara entiny mba hisorohana ny loza samihafa » hoy i Rosa, mponina ao Ankadindratombo.
Tompon’andraikitra ny tsirairay amin’ny tranga tahaka izao. Mila ezaka ihany koa ny fanentanana ny rehetra, indrindra ny mpitondra fiara amin’ny fanaovana fitsirihana ara-teknika sy ny fanamarinana ny fiara entina, hisorohana ny tahaka izao.
Manitra R.
