Comores : Nigadona tao amin’ny nosy omaly i Samuel Eto’o
Nigadona tao Moroni omaly 27 desambra hariva i Samuel Eto’o, filohan’ny Fecafoot (Fédération Camerounaise de Football) izay mpilalao tao amin’ny FC Barcelone taloha. Ny filohan’ny federasion’ny baolina kitra tao Comores Saïd Ali Saïd Athouman sy manam-pahefana samihafa kosa no nandray azy.
Raha tsiahivina dia mpilalao iraisam-pirenena sangany i Samuel Eto’o izay nisahana ny toeran’ny fanafihana. Teraka ny 10 martsa 1981 tao Nkon tao Yaoundé izy ary nahazo ny zom-pirenena tao Espagne tamin’ny taona 2007.
