Barea A’ : Niala an-daharana tamin’ny fampivondronana i Tsilavina Fanomezantsoa.
Dépêche 28 décembre, 14h, Araka ny fantatra dia manatanteraka ny fampivondronana amin’izao fotoana izao ny ekipa Barea A’ hahafahana manomana ny CHAN izay hatao any Algérie ny 13 janoary ka hatramin’ny 14 febroary 2023 izao. Tao anatin’izany indrindra dia nandao ny fampivondronana i Fanomezantsoa Tsilavina Razanakoto na i Drogba izay lohalaharana ao anatin’ny ekipa. Raha tsiahivina dia efa tao anatin’ny lisitra fiandry izy no nantsoina handrafitra ireo ekipa 26 hiatrika ny CHAN indray. Nisy ny tsy fanajana ny fitsipika izay nataony ka nahatonga ny fifanolanana izay nitarika azy tamin’ny fialany an-daharana izany.
