Amparafaravola : Tovolahy roa voarohirohy ho nanolana zaza tsy ampy taona
Tovolahy roa no nampidirian am-ponja vonjimaika noho ny fiahiahiana azy ireo ho nanolana tovovavy iray tany Tanambe, Distrikan’ny Amparafaravola. Ny faha 25 oktobra lasa teo izany niseho izany no niseho raha izao ity tovovavy ity vao nitory noho ny tahotra. Niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera ihany koa ny horonantsary mampiseho izany tao anatin’ny tsy fahalalan’ity farany ity tanteraka.
« Tsy nahafantatra aho fa nisy izany horonantsary izany raha tsy ny namako no nandefa izany taty amiko tamin’ny alalan’ny hafatra miafina. Manaiky aho fa nisy ilay izy saingy noterena kosa aho ny hanao izany ka nambanana mafy tsy hiteny mihitsy. Hatramin’izay aho natahotra foana fa rehefa fantatro fa nisy ity horonantsary ity dia manana porofo aho izany ka izay no nahasahiako nitory », hoy ity tovovavy izay tratran’ny fanolanana ity.
« Raha ny fandinihako ilay zava-nitranga aloha dia nankatoavina ihany ilay nanao ilay firaisana ara-nofo. Ny hitako olana be taminy dia ny fiparitahan’ilay horonantsary. Heloka izany satria tsy nahazoana alalana. Raha izaho manokana tsy manome sazy amin’ny maha mpanolana aho fa asazy amin’ny tsy fanajana ny fiainan’ny hafa manokana (atteinte à la vie privée) no omeko ireo tovolahy ireo », hoy ity Mpisolovava iray naneho ny heviny mahakasika ny tranga.
Heloka, ary mampigadra, ny fanolanana. Toy izany ihany koa ny fanaparitahana horonantsary izay mamoafady sady tsy nahazoana alalana akory. Efa mandeha ny fanadihadiana rehetra amin’izao fotoana izao ka hisy ny fitsarana mahakasika ity raharaha ity vao vita izany.
Miora Raharisolo
