SocialTsidika

Voasazy nandoa omby roa fa nanompa olona tao anaty « Facebook »

Maro ireo mpampiasa ny tamban-jotra serasera no tsy mahalala fa misy ny lalana mifehy ny fampiasana ireo tranonkala eto amin-tsika hany ka maro ireo manaonao foana.Tranga iray hafa kely no niseho tao amin’ny Distrikan’i Mananara Avaratra fa tovovavy iray 24 taona no nanompa razana tao amin’ny « Facebook » koa voasazy nandoha omby roa ho onitra. « Favirazana » no anaran’izany fomba fanonerana izany raha sendra misy toe-javatra toy izao raha nanome fanazavana momba ny fomban-tany avy any amin’ity Faritra ity i Christina, zanan-tany. Voalaza fa « nanompa tangalamena tao anaty tamban-jotra sosialy « Facebook » ity tovovavy iray ity, tezitra ary naneho ny heviny mikasika izany ireo tangalamena sy ireo ray aman-dreny ary koa ireo mponina tao Mananara Avaratra. Tao aorian’izay dia nitory teny amin’ny zandary ireto farany ary nosamborina ilay tovovavy nahavanon-doza.Tsy nanaiky mora fona ny ompa razana izay niantefa taminy moa ilay tangalamena ka nangataka omby roa ho onitra fanoneraza izao fanimbazimbana natao azy izao. Izany no natao mba hanaovana ireo fomban-drazana hentina hanadiovana ny ompa nataony »raha ny fitantaran’i Christina hatrany. Nijanona hatreo moa ny raharaha fa tsy nitohy niakatra fitsarana nohon’ny fihavanana tiana mbola hitohy.Tsiahivina fa misy ny andinin-dalana mifehy ny fanaovana tamban-jotra sosialy eto amin-tsika,isan’izany ny lalàna 2016-031 izay mifehy ny heloka atao amin’ny tranonkala, indrindra ny fanalam-baraka. Eo koa ny lalàna 2016-029 izay mifehy ny serasera mahakasika ny haino aman-jery ary ao amin’ny andininy izay mahakasika ny fampitana vaovao tsy marina sy fandranitana fankahalana olona. Mbola nampiana koa farany ny fehezan-dalàna famaizana ao amin’ny andininy faha-91 izay mahakasika ny fikasan-dratsy ho an’ny filoham-pirenena na ny governemanta. »Ilaina tokoa ny fahafantarana ireo lalana mifehy ny fampiasana ity tamban-jotra sosialy ity mba tsy hisian’ny hioaram-pefy amin’ny fanehoan-kevitra,indrindra amin’izao fisian’ny vaovao mahamay eto Madagasika izao » hoy i Andotiana, tanora mpampiasa « Facebook ».Nilaza kosa anefa i Tsoa fa « Raha tena Tany madala ny demokrasia tokoa i Madagasikara dia tokony ho malalaka ny fanehoan-kevitra,na avy any amin’ny vahoaka na avy amin’ireo mpanao gazety fa tsy ny lalana nofitaovana hentina hanampenana ny vavan’ny olom-pirenena ».Raha ity toe-draharaha fanimbazimbana tangalamena tany Mananara Avaratra ity no raisina manokana dia hita tokoa fa mbola manadala ny soa toavina maha-Malagasy ry zareo any amin’ny faritra amin’ny alalan’ny fanaovana ireo fomba fomba, hita ihany koa fa na eo aza ny disadisa misy dia tsy nentina handravana ny fihavanana izany.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire