Ambohimangakely: Tonga nanatitra “kits examens” ny avy amin’ny fiadidian’ny repoblika
Tonga nanatitra “kits scolaires” na “kits examens” ho an’ireo mpianatra hanala ny fanadinana CEPE tao amin’ ny EPP Soamanandrariny, ny avy amin’ny fiadidian’ny repoblikan’i Madagasikara, ny zoma teo.
“Hafaliana no nandraisan’ireo ankizy ny fanomezana kely, entina hanohanana azy ireo amin’ny fanadinana ara-panjakana izay ataony voalohany. Izany ihany koa moa no entina mirary soa sy hankaherezana azy ireo amin’ny fiatrehana izany” hoy ireo solotena nanolotra izany teny an-toerana.
“Zava-dehibe ny fanohanana ny zaza ety ifotony amin’izao ankatoky ny fanadinana izao. Izay hisaorana ireo tomponandraikitra nanolotra izany satria hery sy fanantenana lehibe ho an’ireo ankizy ny fandraisana izany” hoy ny avy amin’ireo mpanabe.
Marihina, fa ireo solotena avy amin’ny sampan-draharaha sôsialy sy politika no nanolotra izany teny an-toerana. Etsy ankilany, naneho fisaorana sy fankasitrahana azy ireo ny ben’ny tanàna ao an-toerana sy ny mpiara-miasa aminy.
Manitra R.
