Tratra ireo jiolahy namono ilay mpanao gazety tany Fianarantsoa
Voasambotry ny Polisy any Fianarantsoa ny jiolahy iray tamin’ireo namono ny mpanao gazety iray. Nitohy ny fitadiavana ireo namany hafa ka hit any toerana niafenan’izy ireo ary raikitra ny fifandonana. « Jiolahy teo no lavo teo noho eo raha ny telo hafa no natao sambo-belona. Tratra teny aminy ny basy vita gasy sy ny famaky ary ny antsy » hoy ny Polisim-pirenena any an-toerana.
« Tsara ho azy ireo izao, raha ny henonay ihany koa aza dia ireto jiolahy ireto no ambadiky ny famonoana ilay mpanao gazety taty Fianarantsoa » hoy i Hajavola, mponina any an-toerana. Nanamafy ihany koa ny polisy tetsy an-kilany taorian’ny fanadihadihana natao fa tena ireto jiolahy ireto mihitsy no namono nahafaty an’ilay mpanao gazety herinandro vitsivitsy izay. Fa inona tokoa no tena mampirongatra ny asan-jiolahy amin’izao ? Mahita ny sasany manam-bola sy manan-karena ve ka mitsiriritra sa efa zatra lalan-dririnina ka tohizana foana ny asa hatramin’izay ?
Mbola misy tena tanora ao anaty fahatanjahana tsara sy afaka miasa anefa izy ireo, raha tsy matanjaka koa anefa tsy hanao jiolahy. Vokatrin’ny tsy fisian’ny asa izany ve izao ?
Nicole Rafalimananjara
