Inona moa ny tombotsoan’ny Ministra hitifitra an’i Mr Sayda ?
Niteraka resabe indrindra tato amin’ny tambajotran-tserasera ilay mpanakanto Mr Sayda saika nisy nitiftra ary indrindra ny nampidirana an’i Andriatongarivo Lalatiana tao anatin’ilay resaka.
Be mpanenjika tokoa ity Ministra ankehitriny satria fony izy tsy teo amin’io toerana io dia isan’ny nanatevin-daharana ny antoko mpanohitra kanefa vao nahazo seza dia nangina.
« Tato anatin’izay roa taona sy tapany mahery niasany izay dia tsy nitsahatra ny fanenjehana, ny fanimbazimbana, ny faniratsirana, ny fanelezana vaovao tsy marina natao tamin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Andriatongarivo » hoy ny tao amin’ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina.
« Isan’ny tompon’andraikitra tamin’ny fikasakana hamono an’i Mr Sayda i Lalatiana satria ankoatran’ny maha ekipan’ny Ministera an’i Mr Sayda dia manana fifandraisana manokana izy ireo » hoy ny gazety iray mpivoaka isan’andro. Tsy nangina nanoloana izany fanambarana izany ny Ministra ka nivoaka tamin’ny fahanginany : « Na inona na inona tsy fitovian-kevitra politika ny fanelezana atsanga tsy aman’orana miainga amin’ny fiainan’olona manokana dia melohina amin’ny hery manontolo ary tsy azo ekena mihitsy. Tsy hita izay hamotehana ilay olona noho izy miasa sy manana vokatra tsara ary manelingelina ireo mpanohitra fitondrana dia atao mivaivay ny fanenjehana » hoy izy.
Tena ny mpanohitra tokoa ve no tao ambadiky ny tsaho ? Inona no tena tanjona amin’izao resaka izao? Inona tokoa moa ny tombontsoa raha maty i Mr Sayda izay mpanakanto isan’ny be mpankafy eto Madagasikara hatrany ivelany ?
Nicole Rafalimananjara
