Alasora : Mpanjifa nikasa hamono ilay mpivarotra noho ny fahitana ny volabeny
Voarohirohy ho namono ilay mpivarotra ny mpivady izay nividy entana tao amin’ny tranombarotra ihany. Nitsiriritra ny volabe nokirakirain’ity mpivarotra ity ny lehilahy sy vehivavy iray ka nanitatra ny saina, hanomana tetika ratsy haka ny volany sy hamono azy. Tany Alasora no nisehoan’ny loza ny alahady 5 septambra lasa teo.
« Nisy antso azonay avy etsy amin’ny Kaominina Alasora ny amin’ny fisian’ny fikasana hamono olona teo amin’ny toeram-pivarotana iray teny an-toerana tokony ho tamin’ny folo ora alina ary namonjy teny avy hatrany izahay » hoy ny avy ao amin’ny polisim-pirenena. « Raha tara kely ny mpitandro filaminana dia faty sisa no noraisina teto satria efa naratra mafy sy nihosin-drà ilay mpivarotra » hoy i Njiva, mponina teny amin’ny manodidina. « Efa mpanjifa matetika ato amin’ny tsena ireto mpamono olona ireto » hoy ny mpiasa tao amin’ilay tranombarotra. Nalaina am-bavany ireto olon-dratsy ireto ary ho atolotra ny fitsarana aorian’izay. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza kosa ilay naratra.
Aoka hitandrina hatrany isika indrindra mba tsy hikirakira vola imason’olona satria mety hiteraka sain-dratsy ho an’ny hafa izany. Tsy azo atao ny mahatoky olona satria ny ratsy tsy kely lalana fa mila malina mandrakariva.
