Miantso fiaraha-miasa amin’ireo mpanjinjara madikina sy ambongadiny ny SPAM SA
Vary tsinjo milanja 3.800 taonina no hiantsoan’izy ireo fiaraha-miasa amin’ny mpanjinjara eto madagasikara. Manomboka anio 9 septambra no iantsoana ireo izay liana amin’izany. « Mivelatra amin’ny rehetra ny fiaraha-miasa na aiza toerana misy azy ireo » araka fanazavan’ny SPAM hatrany. Andanin’izay dia any Toamasina no hangalana ny vary.
Ho an’ny mpambongadiny dia 2 000ar ny kilao raha toa ka 3 000ar ho an’ny mpanjinjara madinika. « Manao izao tolotra izao izahay mba hoentina anampiana ny mpandraharaha eto an-toerana, maharitra mandrapahalanin’ny tahiry izany. « Marihina dieny ety am-piandohana fa miankina amin’ny saran’ny fitanterana ny vidim-bary eny an-tsena, hantenaina fa hyena kosa izany ho an’ny eto toamasina manokana » hoy ny tompon’andraikitra. « Tsy maintsy vitaina alohan’ny hitondrana ny entana kosa ny fifanarahana ara-bola eo amin’ny roa tonta » hoy hatrany ny tompon’andraikitra.
« Manamaivana ny asanay mpandraharaha izao fiaraha-miasa izao satri efa eto an-toerana ny vary, tsy mila manafatra avy any ivelany intsony izahay. Manana tombony izahay amin’ny fotoana lany satria mihena izany raha hoariana amin’ny fanafarna » hoy i Tahiana, mpanjinjara ambongadiny. « Hohamafisina ny fanaraha-maso ireo mpivarotra amin’ny vidim-bary, izany hoe tsy tokony hisy intsony ny fiakaram-bidy toy teo aloha » hoy i Andry, mpiaro ny zon’ny mpanjifa.
Mapametra-panontaniana ny maro ity resaka ity noho izy hoe vary tsinjo, vary tsinjo natao ho zaraina ho an’ireo sahirana ve ity manjary amidy eny an-tsena ity ?
Haingotiana Andriamihaja
