SocialTsidika

Hiroso amin’ny fanaovam-baksiny i Madagasikara

Taorian’ny fifampidinihana teo amin’ny filoham-pirenena sy ny akademian’ny mpitsabo eto Madagasikara mombann’ny vaksiny, nanapa-kevitra ny fanjakana Malagasy fa hiroso amin’ny fanaovam-baksiny manoloana ny fiparitahan’ny valan’aretina eto amitsika. Nosafidian’izy ireo manokana ny vaksiny covax ary nanapa-kevitra ny hampiditra izany eto Madagasikara izy ireo. Tsy vitsy ireo firenena misafidy ity vaksiny ity ankehitriny ary efa mampiasa izany. Firenena afrikanina voalohany nampiasa izany ny ao Ghana sy Cote d’Ivoire tamin’ny fiandohan’ny volana martsa lasa teo. Ny fanadihadihana natao ihany koa no milaza fa mpiara-miasa amin’ity vaksiny ity ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana n any OMS. Tanjona ny hamolavola andiam-pitaovana hiadihana amin’ny viriosy. Araka ny filazan’ny OMS, manohana ny ezaka eran-tany ho haingana indrindra ity programa ity, mba hirindra sy hahomby indrindra amin’ny ady amin’ny valan’aretina. Manana tanjona ny hizara fatra hatramin’ny roa miliara, indrindra amin’ireo firenena mahantra izy ireo amin’ity taona 2021 ity, ary mba hahavita vaksiny hatrany amin’ny 27% ireo olom-pirenena ao aminy. Raha ho an’ny eto Madagasikara, tsy an-tery ny fanaovana io vaksiny io, fa sokajiana ho loha-laharana kosa ireo olona efa nahazo taona, ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny tafika eto an-toerana. Efa eo am-panatanterahana ny dingana rehetra amin’ny fampidirana azy io eto Madagasikara moa ny eo anivon’ny fitondram-panjakana. Hanao ahoana kosa anefa ny vokatra hoentin’io vaksiny io eto amitsika ?

Fanilo Rarivoarilala 

Laisser un commentaire