Indonésie : Tondra-drano nahafaty olona maherin’ny 150
Olona tsy latsaky ny 150 no maty ary am-polony maro no tsy hita popoka tao Indonesie sy Timor oriental, araka ny antontan’isa nivoaka ny talata 06 aprily tao an-toerana. Tafakatra hatreny amin’ny toeram-ponenana ny rano ary maro ireo tany nihotsaka taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Seroja tao an-toerana, ny herinandro lasa teo raha ny fanazavana. Miisa 130 ireo olona maty manodidina ny nosin’i Timor oriental hoy ny ivontoerana misahana ny loza voajanahary ao Indonesie. 27 kosa ireo voalaza fa maty tao Timor oriental ary 113 ny fitambarany niaraka tamin’i Indonesie raha ny antontan’isa nivoaka talohan’ny talata 06 aprily. 70 ireo olona tsy hita popoka ary manao izay ho hafany ny mpamponjy voina ao an-toerana mikaroka azy ireo any ambanin’ny fako misavovona sy ny fotaka maro nentin’ilay rivo-doza Seroja. Maro ihany koa ireo fotodrafitr’asa simba anisan’izany ny hopitaly, sekoly, toeram-ponenana, lalana, tetezana sns. Maherin’ny 10 000 kosa ireo mponina nahita fialofana ao amin’ny toerana natokana raha misy loza.
