Comores : Olona enina no maty, 110 ireo trangan’aretina choléra voamarina tao an-toerana
Efa ho iray volana izao no niady tamin’ny valan’aretina choléra ireo sampandraharahan’ny fahasalamana ao amin’ny nosy Comores. Ity valan’aretina ity izay tonga tao an-toerana tamin’ny alalan’ilay sambo iray avy any Tanzanie, ny fiandohan’ity volana febroary ity. Na dia efa nanao izay ho afany tamin’ny fanakanana ny fiparitahan’ny aretina aza ireo tomponandraikitra sy ny manam-pahefana any an-toerana, tamin’ny alalan’ny fanentanana sy fametrahana ireo fihetsika fiarovana, dia mbola nahitana tranga sy olona maty ihany amin’izao fotoana ao Comores.
Hatramin’ny zoma 23 febroary teo, nahatratra 110 ireo trangan’aretina hita tany an-toerana, araka ny tatitra navoakan’ny sampan-draharahan’ny fahasalamana any an-toerana. Olona enina kosa no efa namoy ny ainy, ary ankizy no telo tao anatin’izany. Misy kosa anefa ny sitrana ao anatin’izany, ho an’ireo izany manaraka fitsaboana, miisa 85. Ao Moroni, renivohitr’i Comores no tena ahitana tranga be indrindra ao anatin’izany.
