SocialTatitra

France : Lehilahy 30 taona, matin’ny daroka nahazo azy tao Rennes

Lehilahy 30 taona no niharan’ny herisetra ka maty vokatry ny daroka sy ny ratra nahazo azy, tao Rennes France, ny alin’ny sabotsy ifoha alahady teo. Manodidina ny tamin’ny 12ora sy sasany alina , tao amin’ny araben’ny departemanta Rennaise, France, nosakanan’ny fiara ny lalana nizoran’ity lehilahy 30 taona ity, izy izany niaraka tamin’ny olona iray hafa, 38 taona. Taorian’izay dia nivoaka ny roa lahy niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana ka namely azy ireo. Tsy nazaka ny daroka nahazo azy ilay lehilahy 30 taona, ka nitarika ny fahafatesany. Etsy ankilan’izany, nanokatra ny fanadihadiana momba ity tranga famonoana olona niniana natao ity ireo manam-pahefana any an-toerana ; ny antony sy ny zava-niseho talohan’ity tranga, izay tsy mbola fantatra hatramin’izao. Olona roa kosa no atao andrimaso ao anatin’izany, sady hanaovana fanadihadiana.

Laisser un commentaire