ActualitésTatitra

France : Mpampianatra iray no nosamborina noho ny fikapohana mpianatra

Mpampianatra iray no niakatra fitsarana ny herinandro lasa teo noho ny herisetra tamin’ny zaza latsaky ny 15 taona. Raha ny fanazavana dia nikapoka ny mpianany vitsivitsy tao amin’ny CE2 tao amin’ny sekoly ambaratonga fototra tao Coteau, ao Loire io vehivavy io.

Mpianatra 8 sy 9 taona ny fantatra fa nokapohan’io mpampianatra io teo amin’ny lohany, voatsongo sofiny ary voakapoka rantsan-tanana tamin’ny fanipihana. Raha ny fanamafisana dia niampy herisetra ara-moraly niseho tamin’ny fanambanimbaniana ihany koa izany.

Manoloana ny tranga dia nitory ny ray aman-drenin’ireo mpianatra. Naato tamin’ny asany io vehivavy io noho izany ary nandritra ny fitsarana azy dia tapaka fa tsy mahazo mampianatra zaza tsy ampy taona intsony izy. Mety higadra 5 taona an-tranomaizina kosa izy fanampin’izany.

Laisser un commentaire