ActualitésTatitra

Canada : Mitohy ny fikarohana ilay « sous-marin »

« Sous-marin » iray nitondra mpizaha-tany sy manam-pahaizana hijery ilay sambo Titanic niletika ny volana aprily 1912 no tsy hita hatramin’izao. Raha tsiahivina dia ny taona 1985 no hita tao anaty ranomasina, 600 km any atsimon’i Terre-Neuve ao Canada io sambo manan-tantara io. Maro noho izany ireo maniry hijery azy sy ireo « sous-marin » manatanteraka izany nofinofin’ny maro izany amin’ny sandany 250 000 dollars.

Raha ny fantatra kosa hatreto dia an’ny orinasa OceanGate Expeditions izay orinasa tsy miankina mpikarakara fitsangatsanganana anaty « sous-marin » no tompon’io « sous-marin » tsy hita io. Tsy nanome ny isan’ny olona tao anatin’izany nefa izy ireo saingy raha ny fantatra dia olona dimy farafahabetsany no zakan’io « sous-marin » antsoina hoe Titan io. Mbola manohy ny fikarohana izany kosa ireo mpiambina sisintanin’i Canada sy Etats-Unis.

Laisser un commentaire