ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Eo amin’ny lalao ampahefadalana izao ny lalao hiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna

Hotontosaina ny alahady 12 jona  ny lalao ampahefadalana ho an’ny fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna ao Ambohimanambola. Ao amin’ny kianja Ambohidavenona sy Antodiana no hanaovana izany.

« Ho reharehan’ny kaominina hatrany izao lalao izao. Manohana ny tanora foana ny kaominina ao anatin’ny sehatry ny fanatanjahantena. Tsara raha manohana ny fokontany misy antsika avy isika » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. « Samy manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny lalao ao amin’ny kianja roa amin’ny 12 Jona 2022. Efa misy ny fandaharam-potoana napetraka ho amin’izany » hoy ny mpikarakara.

Tsy latsa-danja amin’ny taranja baolina kitra tokoa ny kaominina Ambohimanambola raha samy eto Avaradrano. Tsy vitsy ireo tanora liana amin’izany ary miezaka mivoatra tsikelikely. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire