Sabotsy Namehana : Mitombo isa ny efitrano fianarana ao amin’ny EPP Atsinanantsena
Nahazo efitrano miisa roa ny EPP Atsinanantsena Sabotsy Namehana. Antsoina hoe « Sekoly Telma » ity efitrano fianarana ity, izay efa notokanana ho ampiasain’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy kely indrindra (Préscolaire).
« Kaominina miisa 5 no nisitraka io tombontsoa amin’ny fanampiana ny efitranom-pampianarana io. Isany amin’izany ny kaominina Sabotsy Namehana, Antananarivo Renivotra, Alasora, Ambohimangakely, ary Ampitatafika » hoy ny avy ao amin’ny Delegem-panjakana. « Ho fitsinjovana ny zana-bahoaka hatrany ny toy izao. Tsy diso anjara isika teto Sabotsy Namehana. Hirariana ny hampitomboana hatrany ny lentan’ny fampianarana » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana.
Maro ireo mpiara-miombon’antoka tamin’ity tetik’asa ity toy ny vondrona Axian, ny Fondation Telma, ny Kozama, ary ny avy amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.
Hasina Rasamimanana
