Alasora: Nahazo fanomezana hanohanana ny tanora sy ny fanatanjahantena
Nanolotra fanomezana entina hanohanana ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ao amin’ny kaominina Alasora ny fikambanana sy mpiahy ny kaominina AFF ( Andry sy Fototra ho an’ny fampandrosoana) tamin’ny herinandro teo. Ny taranja ara-panatanjahantena baolina kitra sy ny baskety no nisitraka izany, araka ny voalaza.
« Fitaovana isan-karazany toa ny jiro mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro miisa dimy, panneaux basket miisa roa, fanamiana ho an’ny ekipa mpilalao baolina kitra sy ny taranja baskety roa avy ary baolina roa avy no natolotra, hitaizana ny tanora ao amin’ny kaominina Alasora » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny fikambanana.
« Fisaorana sy fankasitrahana ny atolotra ny fikambanana no sady mpiara-miasa manohana hatrany ka nanome ireo fitaovana ireo. Anisan’ny zava-dehibe ny fifanomezan-tanana tahaka izao amin’ny fampandrosoana ny kaominina » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora.
Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy hoy isika malagasy. Zava-dehibe tokoa ny fifanomezan-tanana tahaka izao, indrindra ny fanohanana ny tanora sy ny fanatanjahan-tena. Anisan’ny mitondra fampandrosoana sy fampivoarana ho an’ny tanora izany.
Manitra R.
