Espagne : Zazavavy kambana 12 taona no nitsambikina avy teny amin’ny rihana faha-3 ny tranony
Zazavavy kambana roa, 12 taona no nitsambika avy teny amin’ny rihana faha-3 ny trano fonenany tao amin’ny tanan’i Salleny izay 60 km miala an’i Barcelone. Maty teo no ho eo ny iray tamin’ireo kambana ireo raha mbola tsaboina kosa ny iray.
Manoloana ny tranga nisokatra ny fanadihadiana. Raha ny fanazavana dia niharan’ny herisetra tany an-tsekoly na « harcèlement scolaire » ireo zazavavy ireo. Avy ao Argentine no tena fiavian’ireto farany ary nifindra monina tao Espagne niaraka ny fianakaviany roa taona lasa izao. Niharan’ny fanaratsiana sy fanarabiana tokoa ireo zazavavy ireo raha ny filazan’ny olona akaiky azy, somary sari-dahy mantsy ny iray tamin’ireo kambana ireo.
Tsy nahatsikaritra olana tao amin’ny sekoly kosa ireo tompon’andraikitra tao an-toerana raha ny fanazavana. Nilaza kosa ny minisitry ny fanabeazana tao Espagne, Pilar Alegría fa hatramin’ny niandohan’ny valan’aretina Covid-19 dia nitombo an’isa ny fitondratena « suicidaire » ny ankizy sy tanora.
