ActualitésTsidika

Fambolena: Tsy namela nahazo mihitsy ny rivo-doza Cheneso.

Raha tsiahivina dia tamin’iny volana janoary iny no nisehoan’ilay rivo-doza Cheneso izay namela takaitra mafy ara-olona, ara-fotodrafitr’asa ary amin’izao dia fantatra fa namely mafy ny tanimbary ihany koa iny rivo-doza iny. Simba ny fambolena izay foto-tsakafon’ny Malagasy aman’arivony noho izany rivo-doza izay nitondra rotsak’orana betsaka sy fiakaran’ny rano be loatra izany.

“Mirefy 33 000ha ny tanimbary saron’ny rano vokatry ny rivo-doza Cheneso nanerana ny Nosy indrindra ny faritra 6 izay tena nandalovany. Ny faritra Boeny, Betsiboka ary Analanjirofo dia vakasiky ny 12% amin’io isa io. 16 000ha ho an’ny Faritra Vatovavy, 7 000ha ho an’ny Fitovinany ary tao amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana ny ambiny. Mila miomana sahady noho izany fa mety hampihena ny famokarana vary amin’ity taona ity izany”, hoy ny avy ao amin’ny BNGRC.

“Fambolena fototra ho an’ny Malagasy izany voly vary izany amin’ny maha foto-tsakafo azy io. Dieny izao noho izany dia tokony efa fantatra ny vahaolana hataolotra ireo tantsaha ireo sy ny mahakasika ny vidim-bary satria miantraika amin’ny isan-tokantrano io rehefa aoriana kely ao”, hoy i Matio, mpianatra mahakasika ny toe-karena eny amin’ny anjery manontolo.

Miaraka amin’izany anefa dia nisy ny fizarana vatsy tsinjo sy ny masomboly avy amin’ny fitondram-panjakana hanarenana ireo voly simba sy tanimbary dibodrano vokatry ny fandalovan’ny andro ratsy CHENESO tany an-toerana. Vahaolana vonjimaika ihany anefa izany ka tokony hikarohana vahaolana haharitra kokoa.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire