France : Lehilahy iray no nanaton-tena teny amin’ny lalambe A31
Lehilahy iray 59 taona no nanaton-tena teo amin’ny tetezana Richemont, teny amin’ny lalambe A31 sy lavitr’i Thionville, tao Moselle.Namatotra tady ny tendany io lehilahy io ary nitsambikina avy teo amin’ny tetezana, raha ny fanazavana.
Vetivety ihany dia tonga teny an-toerana ireo manam-pahefana sy mpamonjy voina. Nisintona ilay lehilahy nikirazorazo teo amin’ny tetezana izy ireo ary niezaka namelona azy saingy tsy tana intsony ny ainy. Tsy fantatra kosa izay antony namonoan’io lehilahy io tena talohan’iny vanim-potoan’ny fety iny.
