ActualitésTatitra

Maroc : Mbola velona soa aman-tsara ny renin’i Sofiane Boufa

Olona isany nampihetso-po olona maro nandritra ny fifaniana tompondaka eran-tany ny baolina kitra tao Qatar ilay mpilalaon’i Maroc Sofiane Boufa sy reniny. Nanomboka omaly nefa dia niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy fa nodimandry ny renin’io mpilalao baolina kitra io noho ny antony ara-phasalamana.

Nanambara nefa ny TFT Morocco tao amin’ny tambajotra Twitter fa salama ary mbola velona soa aman-tsara ny renin’i Sofiane Boufa. Raha tsiahivina dia namelona irery azy sy ny mpiray tampo taminy ny renin’i Sofiane Boufa. Teo amin’ny faha-18 taonany io mpilalao baolina kitra io no nangataka tamin’ny reniny hanatsahatra ny fianarany ary rehefa nahazo ny fifanarahany matihanina voalohany izy dia niantoka ny reniny indray.

Laisser un commentaire