ActualitésTsidika

Fanatanjahantena : Maro ireo ankizy afaka ny hiditra amin’ny maha matihanina amin’ny sehatry ny baolina kitra

Miisa 38 ireo ankizy sy tanora no voasafidy hiatrika ilay fizàrana miaraka amin’ilay Mpanazatra ny Real de Madrid, Ignacio Abascal Nacho. Izany dia fiaraha-miasa amin’ny Aksisika sy ny Fondation Real Madrid. Nanomboka ny alatsinainy teo izany fampiofanana ireto tanora sy ankizy ao amin’ny U15 sy U17 ireto. Mahita tombony betsaka amin’ireo zanany ireo Ray aman-dReny ka manantena ny fahitana ny sehatra maha-matihanina afaka hidirana eto Madagasikara.

« Nanaraka azy aty aho dia hitako fa manana potentiels izy. Afaka ny hiditra amin’ny sehatra ambony kokoa raha afaka ny asiana izany eto Madagasikara. Mbola kely taona koa izy ka mbola afaka mampiakatra tsara ny lentany kanefa izany tsy vita mora fa mila mpampiofana afaka hanampy azy ireo. Izany indrindra no hangatahanay Ray aman-dReny ny hanokafana sekoly mahakasika ny baolina kitra eto », hoy i Marçia, manana zanaka manatrika ny fanazaran-tena miaraka amin’i Mpanazatra avy ao amin’ny Real Madrid.

« Raha ny fahitako azy ihany koa, fanararaotra ho an’ny ankizy ny fanananana an’i Ignacio Abscal Nacho, mety ho lalana iray hahalasa matihanina azy izany satria betsaka ny fampiofanana aroso sy omena azy ireo », hoy kosa ny Raim-pianakaviana iray hafa.

Tsy hijanona hatreo marina anefa ity sehatra iray hivoarana ity raha ny nambaran’ny Aksisika Madagasikara fa hitohy hatrany. « Hisy ny toeram-piofanana izay ho hatsangana ho an’ireo ankizy sy tanora maniry ny hisehatra amin’izany taranja izany. Andalam-pamolavolanaa izahay izao satria hitanay fa mahay ireo bandy kely ireo », hoy ny avy ao amin’ny Aksisika Madagasikara.

Taranja iray maro mpitia ny sehatry ny lalao baolina kitra. Mbola kely dia efa maro ireo ankizy no liana amin’izany. Taranja iray mampisokatra saina izy io ka tsy misy tokony ho fandrarana azy ireo amin’izany fa tokony hampirisihina hatrany izy hampiseho ny talenta hananany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire