ActualitésPolitique

Tokantrano miisa 19.670 no nisitraka lelavola 280.000 ar fanampiana avy amin’ny FID tany Toamasina I

Tokantrano miisa 19.670 no nisitraka lelavola 280.000 ar fanampiana avy amin’ny FID tany #Toamasina I. Tokantrano 3.022 hafa koa nisitraka ny vola takalo asa (Argent contre travail) tamin’ny alàlan’ny fanadiovana ny tanàna.

Tsy misy fiatoana fa mbola mitohy koa ny fizarana sakafo any an-toerana raha ny tatitry ny BNGRC. Araka ny mason-tsivana napetrak’ireo mpamatsy vola koa, dia laharam-pahamehana ireo zokiolona marefo, ireo sembana ara-batana, ireo olona manana aretina, ireo tokan-tena, ireo mitaiza zaza sy ireo sokajin’olona marefo hafa.

Laisser un commentaire