Efa napetraka eny Analakely ny “feux tricolore” vaovao.
Hita fa efa mijoro eny amin’ny faritra Analakely ireo jiro famantarana fifamoivoizana na feux tricolore, izay kasaina hanampy amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana eo afovoan-tanànan’Antananarivo.
Antenaina fa hitondra fanatsarana amin’ny filaminan’ny lalana sy ny fiarovana ny mpampiasa lalana izy ireny, indrindra amin’ireo toerana be mpandeha sy be fifamoivoizana.
Efa nahasarika ny mason’ny mpamily sy ny mpandalo sahady izany fanovana izany, ary maro no miandry ny hanombohan’ny fampiasana azy amin’ny fomba ofisialy.

