Antsirabe : Tsy miafina intsony ireo mpanendaka fa efa hita eny rehetra eny mihitsy manatanteraka ny asa ratsiny
Tsy mifidy andro sy fotoana intsony ny mpanendaka ao amin’ny faritra Vakinankaratra ao fa ahitana azy ireny foana amin’ny fotoana rehetra sady amin’ny toerana rehetra. Mbola vao amin’ny 6 ora hariva dia efa ahitana izany, indraindray aza moa dia amin’ny andro atoandro.
Voaendaka ity vehivavy iray ity teo anoloan’ny paositra Antsirabe raha vao tamin’ny 6 ora hariva monja. Lehilahy mitondra bisikileta no nisintona ny finday teny antanany. Ny tena nampalahelo anefa dia tsy nisy namonjy ihany koa izy fa jeren’ny manodidina fotsiny na dia mbola maro olona mifamezivezy aza teny an-toerana tamin’izany.
« Anjara asanay ny miaro ny olompirenena sy ny fananany, efa betsaka no tratra amin’ireny mpanendaka ireny ary mbola misy ihany koa anefa ireo mbola mihaodihaody any rehetra any, efa miasa andro aman’alina ny mpitandro filaminana hamongorana izany ka mangataka fiaraha-miasa amin’ny tsirairay hanome vaovao raha mahita tranga toy izany » hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao amin’ny fari-piadidiana ao Vakinankaratra. Miahiahy ihany anefa ny mponina ary indrindra, manameloka ireo mpitandro filaminana : « betsaka ireo polisy, misy ihany koa ireo polisy kaominaly fa toa misy foana izao trangana fanendahana izao, tsy hay tsara mihitsy na miasa ireo na tsia ato antanàna » hoy i Nirina, mponina ao Antsirabe renivohitra.
Tsy fantatra na noho ny fidangan’ny vidim-piainana ve sa noho ny tsy fahitana asa no mampirongatra ity asa ratsy ity. Miha-mitombo foana ny filazana trangana fanendahana toy izao isan’andro. Asa mbola ngeza be no miandry antsika amin’izany, ka mety rahoviana ary vao ho fongatra izany ?
Miora Raharisolo
