ActualitésTsidika

Alasora : Nahazo fanampiana ireo zokiolona

Zokiolona telo be taona indrindra isaky ny Fokontany ao amin’ny kaominina Alasora no nisitraka kidoro avy amin’ny Fikambanana Baobab Madagasikara. Tsy diso anjara tamin’izany ihany koa ny tao amin’ny maternité sy ny CSBII Alasora.

« Isaorana ny fikambanana Baobab Madagasikara tsy nandino ny kaominina Alasora. Kidoro miisa 72 no nozaraina teto Alasora » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Alasora. « Tena ilaina indrindra ho anay beantitra ny kidoro mba hanampy betsaka hampahazo aina. Ho an’ireo marary ihany koa. Koa misaotra indrindra tompoko tsy nanadino » hoy ireo Zokiolona.

Tena manampy betsaka an’ireo efa nahazo taona sy ireo marary ary ireo hiteraka tokoa ny kidoro. Manampy betsaka amin’ny fahitana torimaso sy ny fahazahoana aina izy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire