Ambohimangakely : Tafapetraka ireo tetik’asa fahazoana rano fisotro madio ao amin’ny CSB II
Tafapetraka soaman-tsara ny foto-drafitr’asa fahazoana rano fisotro madio, napetraka ao amin’ny toeram-pitsaboana fototra (CSB II) Ambohimangakely. Tonga nijery ny fahavitan’ny tetik’asa tao an-toerana, ny alarobia teo ny avy amin’ny fiadidiana ny tanàna ao an-toerana, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
« Vokatry ny fiaraha miasa teo amin’ny kaominina sy ny « fondation Brohfman » dia vita tanteraka ireo tetik’asa izay natao ka nirosoana ny fitotokanana izany. Fampidirana rano fisotro madio ho an’ny efitra rehetra ary fanatsarana ny toerana moa no natao tao anatin’izany” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Anisan’ny efa hatramin’ny ela no niandrasana izao fahavitan’ny asa izao. Niaraha-niaina sy nahita fa tena tsy araka ny fenitra tokoa raha ny fisitrahana rano sy ny efitranon’ny hopitaly teto. Hisaorana ny tomponandraikitra amin’ny ezaka izay asehon’izy ireo » hoy i Mbolatiana, mponina ao Ambohimangakely.
Nanamafy moa ny avy amin’ny kaominina Ambohimangakeky fa hitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo aminy sy ny Fondation Brohfnam. Etsy ankilan’izay, manentana ny mponna mba hikolokolo ny fananana iombonana ihany koa izy ireo.
Manitra R.
