Israël : « Roquettes » telo nalefa avy ao atsimon’i Liban, tsy nisy zavatra simba
Mbola tsy hay hatreto hoe iza marina no nitifitra tamin’ny « roquette » telo avy ao atsimon’ny Liban nankany Israël. Mazava kosa anefa ny antony nahatonga ny mpanoratra hilaza izany, manararaotra ny korontana eo amin’ny tafika isaraelianina sy ny tafika islamika Palestinianina Hamas mba hanokafana fifanandrinana vaovao eo amin’ny fanjakana hebreo sy ny Liban. Nilaza kosa anefa ny vondrona iray avy ao Liban fa niainga avy ao amin’ny faritanin’i Qlaileh akaikin’ny renivohitr’i Tyr ao astimon’i Liban ireto tifitra ireto. Araka ny fanambarana nataon’ny tafika israelianina hatrany, tsy nisy ny zavatra simba sy ny aina nafoy nandritra izany tifitra izany.
