Israël : Nametraka fitaovam-piadiana mahery vaika akaikin’i Gaza
Ny alakamisy 13 may teo, nametraka fitaovam-piadina mahery vaika sy fiara mifono vy manaraka ny sisin-taniny ny tafika israelianina miaraka amin’ny vondrona Gaza. Mbola mitohy hatrany ny fifampitifirana, izay hamoizana aina maro, hifanaovany amin’ny mpanao fihetsiketsehana avy ao amin’ny Hamas. Anisan’ny heverin’ny jeneraly israelianina ho atao ihany koa ny fanafihana an-tanety ireo tanàna maro olona. Araka ny fanambarana nataon’ny Ministeran’ny fiarovana israelianina ihany koa, niantso mpiady ho mpandimby 7 000 ny tafika israelianina mba hanampy azy ireo. Na dia eo aza ny antso atao ny amin’ny famotehana ireo vondrona iraisam-pirenena sy ny ezaka diplomatika mba hampitsaharana ny herisetra izay misy, mbola nanohy nandefa balafomanga aman-jatony hatrany ny tafika israelianina ny alakamisy teo. Avy ao amin’ny sisin-tanin’i Gaza no nandefasany ireo balafomanga ireo.
