Andron’ny vehivavy: Notolorana mari-panakasitrahana ireo vehivavy miavotse avy amin’ny faritra 23
Anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy dia nisy ny fampiofanana izay natolotra ireo vehivavy miavotse natolotry ny Fitondram-panjakana. Notolorana fampitaovana sy mari-pankasitrahana noho izany ireo vehivavy solontena avy amin’ny faritra 23. Fampiofanana mahakasika ny fandrahoana sakafo sy mofo mamy ary fiofanana momba ny fitantanana tsotra no nanolorana izao mari-pankasitrahana izao.
“Vehivavy mahaleo tena, miavotra ary miarin-doha, afaka miatrika ny adidy mankadiry eo anivon’ny tokantrano sy ny fiaraha-monina.Izany no tanjona lehibe nanomezana ireny fampiofanana ireny ka samia mampihatra izay azony hahahafahana miavotra”, hoy ny nambaran’ny Mialy Rajoelina, nandritra ny lanonana fiarahabana ireto vehivavy ireto.
“Mahavelombolo ny fampiofanana maimaimpoana toy izao satria hahafahan’ny saina mieritreritra fa mbola afaka mivoatra sy miova izao fiainana hiainana izao. Misaotra ny mpampiofana rehetra fa maro ny azo raisina sy entina hivoarana indray. Tsy vitan’ny fampiofanana moa fa nisy fitaovana ihany koa, afaka miatrika ny asa avy hatrany aorian’izao”, hoy ny solontenan’ireo vehivavy miavotse.
Hisy hatrany ny fampiofanana sy ny fampitaovana ireo vehivavy manerana ny lafivalon’ny Nosy mba hananan’izy ireo antom-pivelomana sy tsy hiankin-doha amin’ny hafa intsony. Izany toe-tsaina izany indrindra no tokony hambolena amin’ny vehivavy tsirairay satria ny olona tsirairay dia samy manana anjara toerana amin’ny fampivoarana ny tontolo.
Miora Raharisolo
