Dépêches

Barea A: Tsy hiverina handrafitra ny Barea intsony I Abel Anicet

Dépêche 07 mars, 14h, Araka ny fanambarana izay nataon’i Abel Anicet izay efa kapitenin’ny Barea A dia tsy handrafitra ny ekipan’ny Mpanazatra Nicolas Dupuis intsony ny tenany. Natolony ho an’ireo mpilalao eto an-toerana izay manan-talenta maro be ny toerana hoy izy. Miaro ny voninahimpirenena izany mila manome “millions de pour-cent” rehefa manao lalao, izaho moa efa hainareo ihany fa efa manakaiky ny “fin de carrière” midika izany fa tsy mitovy aminy heriko taloha intsony aho, hoy hatrany ny nambarany. Manohana hatrany ny Barea ny tenany na dia tsy ao anaty ekipa intsony aza. Anio moa no mety hivoaka ny lisitra farany izay tena handrafitra ireto Barea A ireto amin’ny lalao izay hatao manaraka eo. 

Laisser un commentaire